Torolàlana mora ampiharina novolavolain’ny BIT mikasika ny VIH/SIDA sy ny tontolon’ny asa

Vokatry ny fiaraha-miasa akaiky dia akaiky teo amin’ny BIT sy ny mpanome fahefana telo tonta, ny fandraisan’anjaran’ireo mpifarimbona iraisampirenena ity amboara ity. Manome torolàlana mora ampiharina tsy misy toa azy amin’ny mpanapaka, ny fikambanan’ny mpampiasa sy mpiasa sy ireo miara-miasa aminy. Tokony ho fampiasa amin’ny famolavolana sy ny fampandehanana fandaharanasa sy fepetra fisorohana sy fiantsorohana mifanaraka amin’ny zava-misy eny an-toeram-piasana, amin’ny fandrafetana paikady ho an’ireo mpiasa eny amin’ny sehatrasa tsy manara-dalàna.

Loza mitatao ho an’ny tontolon’ny asa ny VIH/SIDA : asiany ny sokajin’ny mpiasa tena mamokatra hany ka mihena mihena ny vokatra azo, mampidangana izay tsy izy ny vola mivoaka amin’ny orinasa eo amin’ny sehapamokarana samihafa noho ny fitotongan’ny famokarana ; mitombo ny masonkarena ary mihen-danja ny fahaiza-manao sy ny traikefan’ny mpiasa. Loza mitatao amin’ny ny zo fototry ny tsirairay hanana asa noho ny fanavakavahana sy fanalambaraka mihatra amin’ny mpiasa na ny olona mitondra ny tsimokaretina VIH/SIDA na ireo olona voakasik’io aretina io. Ireo sokajin’olona mora andairan’ny aretina, toy ny vehivavy sy ny ankizy, no tena voa mafy satria manamafy ny tsy fitoviana eo amin’ny lahy sy ny vavy izy no mampitombo ny olana momba ny fampiasana ny ankizy.
Izany no nahatonga ny BIT nanao ezaka lehibe tamin’ny famoahana ity
amboara torolàlana mora ampiharina mikasika ny VIH/SIDA sy ny tontolon’ny asa ity. Torolalàna tokony ho fitaovana entina hamerana ny fihanaky ny valanaretina, hanalefahana ny fiantraikany eo amin’ireo mpiasa sy ny fianakaviany, hamolavolana fomba fiahiana ara-tsosialy hiatrehana ny aretina. Mitanisa ny fitspika fototra iorenan’ny ady atao amin’ny valanaretina eo an-toeram-piasana
ihany toy ny fanekena fa ny VIH/SIDA dia olana tsy afa-misaraka amin’ny toerampiasana ; ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny mpiara-monina ; ny tsy fanavakavahana, ny fitoviana eo amin’ny lahy sy ny vavy, ny fisorohana sy ny fitiliana aretina, ny tsiambaratelo, ny fiantsorohana sy ny fanohanana ireo olona voakasiky ny aretina na voadona mafy noho izany.